4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavan'ankizy - Henri ratsimbazafy

'Ndreo ankizy miara-dia,
kely dia mifankatia
ka sondriana aoka izany
toy ny tsy ety an-tany.

Maika ery hiala voly
fa vao avy tan-tsekoly,
ka indreny mifanjohy
toy ny tsy hifankafoy.

            'Zay mahita azy roa
            dia variana tokoa
            ka manara-maso azy
            ary koa mamazivazy.

            Ao ireo izay mifosa,
            ao ny manome tsiny,
            fa izaho izany kosa
            mahatsiaro ny fahiny.

Na izao na taloha
ny fitia raha mifoha
dia mihoitra tsy azo tanana
raha vao mahita lalana

Fa ry Dada sy ry Neny
dia angamba toa ireny
no mba nifankahalalany
saingy efa adino izany.

            Ref.
            Moa fahotana ve izany ?
            Sa kosa fomban-tany ihany ?
            Izay tsy nitia taminareo
            no aoka hitoraka azy ireo.

Partager fitiavan'ankizy

Commenter fitiavan'ankizy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite